Haggai 1:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanampo be ianareo kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo ho any an-trano dia notsofiko indray. Nahoana? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo dia samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanantena be ianao, nefa tsy nisy afa-tsy kely foana; nanangona ny vokatrareo, nefa notsofiko izany. Nahoana? - teny marin’i Iavehn’ny tafika. - Satria ny Tranoko mbola rava; nefa ianareo isany, samy maimay be ihany ny amin’ny tranony avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vokatra betsaka no nantenainareo, nefa hitanareo fa kely no azo. Ary izay notaominareo dia notsofiko hiparitaka. Koa manontany hentitra anareo Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Ahoana izany? Valiny: Satria rava ny tranoko nefa ianareo samy sahirana manao ny tranonareo avy.
Malagasy Bible 1865
Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanampo be ianareo kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo ho any an-trano dia notsofiko indray. Nahoana? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo dia samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
malagasy