Haggai 2:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo, na izay nahandroina na ny divay na ny diloilo na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona hoe: Tsia!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona mitondra hena voahasina amin’ny sisin-dambany, ka misy mofo na zavatra nandrahoina, na divay, na diloilo, na zava-pihinana hafa, voakasiny amin’izany sisin-dambany izany, moa ho voahasina va ireo zavatra ireo? Dia namaly ireo mpisorona nanao hoe: Tsia. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka hatao hoe misy olona mitondra hena voahasina tamin’ny sorona ao anaty sisin-dambany; raha voakasiky ny lambany ny mofo na ny zavatra nahandroina, na koa ny divay na ny menaka na izay rehetra mety ho sakafo fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia hoy ny mpisorona tamin’i Hagay: –Tsia, tsy ho tonga masina ireo.
Malagasy Bible 1865
Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany, ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo; na izay voahandro, na ny divay, na ny diloilo, na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona nanao hoe: Tsia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo, na izay nahandroina na ny divay na ny diloilo na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona hoe: Tsia!
malagasy