Haggai 2:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
tamin’izany andro izany, raha nisy nankeo amin’ny antontam-bary tokony ho roapolo famarana, dia folo ihany no tao; raha nisy nankeo amin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimampolon’ny famarana dia roapolo ihany no tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany, ny nankamin’ny antontam-bary roapolo mifatra, tsy nahazo afa-tsy folo; ny nankamin’ny famiazam-boaloboka hanovo dimampolon’ny famarana, tsy nahazo afa-tsy roapolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
inona no nitranga taminareo? Raha misy olona nandeha naka vary tao amin’ny sompitra nampoiziny hahazoana roa arivo kilao, dia tsy nahita afa-tsy arivo kilao ihany izy; ary raha nisy olona nandeha nanovo divay tao amin’ny barîka nampoiziny hahazoana dimampolo litatra dia tsy nahita afa-tsy roapolo litatra ihany izy.
Malagasy Bible 1865
fony tamin'izany andro izany raha nisy nankamin'ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon'ny famarana, dia roa-polo ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
fony tamin'izany andro izany raha nisy nankamin'ny vary roa-polo mifatra, dia folo ihany; raha nisy nankamin'ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimam-polon'ny famarana, dia roa-polo ihany.