Haggai 2:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mbola misy voan-javatra ihany va ao an-tsompitra? Na dia ny voaloboka, ny aviavy, ny ampongabendanitra ary ny oliva aza dia tsy mbola nisy namoa. Hatramin’izao andro anio izao no hitahiako anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola nisy voa famafy va tao an-tsompitra? Na ny voaloboka aza, na ny aviavy, na ny ampongabendanitra, na ny ôliva, tsy misy nahavokatra kely akory; fa hatramin’izao andro izao kosa, dia hotahìko ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa tsy efa ritra ny vary tao an-tsompitra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy ary ny ampongabendanitra sy ny ôliva aza tsy nahavokatra. Kanefa manomboka izao anio izao kosa no hitahiako anareo.
Malagasy Bible 1865
Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongaben-danitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin'izao andro anio izao no hitahiako anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mbola misy voan-javatra ihany va ao an-tsompitra? Na dia ny voaloboka, ny aviavy, ny ampongabendanitra ary ny oliva aza dia tsy mbola nisy namoa. Hatramin’izao andro anio izao no hitahiako anareo.
malagasy
Mbola ao an-tsompitra ihany va ny voan-javatra? Na dia ny voaloboka sy ny aviavy sy ny ampongaben-danitra sy ny oliva aza dia tsy mbola mamoa; hatramin'izao andro anio izao no hitahiako anareo.