Haggai 2:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
haongako ny sezafiandrianan’ny fanjakana, hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; haongako ny kalesy fitondra miady sy izay mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
haongako ny seza fiandrianan’ny fanjakana, hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; hazerako ny kalesy fiadiana mbamin’ny mpitaingina azy; ny soavaly mbamin’ny mpitaingina azy samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haongako ireo mpanjaka ary hofoanako ny herin’ny fanjakam-pirenena; hahohoko ny kalesiny sy ny mpamily azy; samy ho lavon’ny sabatra ka ho faty ireo soavaly ary hifamono koa ny mpitaingina azy.
Malagasy Bible 1865
dia hahohoko ny seza fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
haongako ny sezafiandrianan’ny fanjakana, hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; haongako ny kalesy fitondra miady sy izay mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
malagasy
dia hahohoko ny seza fiandrianan'ny fanjakana, ary hofoanako ny herin'ny fanjakan'ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon'ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.