Haggai 2:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao dia horaisiko ianao ry Zerobabela mpanompoko, zanak’i Sealtiela, hoy NY TOMPO. Hataoko toy ny fitombo-kase ianao satria ianao no efa nofidiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, ry mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ka hataoko toy ny fanombohan-kase; satria efa voafidiko ianao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa amin’izany andro izany, dia hotolorako andraikitra ianao, ry Zerobabela mpanompoko sady zanakalahin’i Sealtiela. Hataoko sarobidy toy ny peratra tombokase ianao, fa efa voafidiko hisolotena Ahy. Izany no fampanantenana hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.»
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak'i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao dia horaisiko ianao ry Zerobabela mpanompoko, zanak’i Sealtiela, hoy NY TOMPO. Hataoko toy ny fitombo-kase ianao satria ianao no efa nofidiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy