Haggai 2:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela! Hoy NY TOMPO. Mahereza, ry Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe! Mahereza, ianareo vahoaka rehetra! Hoy NY TOMPO. Miasà! Fa Izaho no momba anareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela, - teny marin’i Iaveh. - Matokia, ry Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe! Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany, - teny marin’i Iaveh, - ary miasà! fa momba anareo Aho, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izao no teny hentitra avy amiko TOMPO: Mahereza, ry Zerobabela! Mahereza, ry Josoa mpisorombe zanakalahin’i Jôtsadaky. Mahereza, ianareo rehetra sarambabem-bahoakan’ity tany ity; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Miasà fa Izaho no miaraka aminareo, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao,
Malagasy Bible 1865
Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela! Hoy NY TOMPO. Mahereza, ry Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe! Mahereza, ianareo vahoaka rehetra! Hoy NY TOMPO. Miasà! Fa Izaho no momba anareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,
malagasy