Haggai 2:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny voninahitr’ity trano ity amin’ny ho avy dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho lehibe ny voninahitr’ity trano ity, ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany; ary eto amin’ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny famirapiratan’ity trano ity dia ho lehibe mihoatra noho ny tany aloha; ary eto amin’ity toerana ity, hoy AHO, no hanomezako anareo fiadanana. Izany no fampanantenana avy amiko TOMPOn’izao rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.