Hebrews 10:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manao ahoana kosa ary, araka ny hevitrareo, ny hamafin’ny fampijaliana tokony hihatra amin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra ka nanao ny ran’ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin’ny fahasoavana?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba toy inona kosa àry no hamafin’ny fampijaliana heverinareo ho tandrifin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra, sy nanao ho zavatra tsy masina ny Ran’ny fanekena nanamasinana azy, ary nanevateva ny Fanahin’ny fahasoavana?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanao ahoana kosa àry izay manao tsinontsinona ilay Zanak’Andriamanitra sy mihevitra fa ny ra iorenan’ny Fanekempihavanana sady nanadiovana azy dia tsy misy hasiny ary maniratsira ny Fanahy Masina nandraisany fahasoavana? Hanao ahoana ny hamafin’ny fampijaliana heverinareo fa tokony hihatra aminy?
Malagasy Bible 1865
manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manao ahoana kosa ary, araka ny hevitrareo, ny hamafin’ny fampijaliana tokony hihatra amin’izay nanitsakitsaka ny Zanak’Andriamanitra ka nanao ny ran’ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin’ny fahasoavana?
malagasy