Hebrews 10:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa voalaza taloha hoe: Tsy ilainao ary tsy sitrakao ny fanatitra alatsa-dra, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra noho ny ota, dia ireny atolotra araka ny lalàna ireny,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Voalohany aloha lazainy hoe: Samy tsy nilainao sy tsy sitrakao na ny fanatitra na ny sorona dorana, na ny sorona noho ny ota, dia zavatra natolotra araka ny Lalàna avokoa ireny; -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Voalohany indrindra dia hoy i Kristy: «Tsy nilainao sady tsy sitrakao ny sorona sy ny fanatitra, ary ny biby dorana eo amin’ny alitara sy ny sorona ho fanalana ny ota»; kanefa ireo rehetra ireo dia natolotra araka ny lalàna avokoa.
Malagasy Bible 1865
Rehefa nolazainy teo hoe: "Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalàna) "no tsy ilainao ary tsy sitrakao",
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa voalaza taloha hoe: Tsy ilainao ary tsy sitrakao ny fanatitra alatsa-dra, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry, ny fanatitra dorana manontolo ary ny fanatitra noho ny ota, dia ireny atolotra araka ny lalàna ireny,
malagasy