Hebrews 11:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana na dia ny maty aza; ary ohatry ny avy tamin’izany no nandraisany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria ninoany fa na dia maty aza izy dia hain’Andriamanitra atsangana, ka dia noraisiny indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noheverin’i Abrahama fa Andriamanitra dia mahay manangana an’i Itsehàka avy any amin’ny maty; ka dia noraisin’i Abrahama indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.
Malagasy Bible 1865
Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana na dia ny maty aza; ary ohatry ny avy tamin’izany no nandraisany azy.
malagasy
Fa nihevitra izy fa Andriamanitra dia mahay manangana ny maty aza; ary hoatra ny avy tamin'izany no nandraisany azy.