Hebrews 11:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy vehivavy nandray ny azy efa maty, tamin’ny fananganana azy ho velona indray; nampijalijaliana ho faty ny sasany, nefa tsy nety nanao izay hahafahany mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nandraisan’ny vehivavy ny zanany maty voatsangana ho velona. Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganan-ko velona tsaratsara kokoa;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho ny finoana no nandraisam-behivavy ny zanany maty voatsangana ho velona indray. Ny sasany nampijalijalîna ho faty nefa tsy nety nanao izay hahafahany, mba hitsanganany ho velona aina tsara lavitra;
Malagasy Bible 1865
Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy vehivavy nandray ny azy efa maty, tamin’ny fananganana azy ho velona indray; nampijalijaliana ho faty ny sasany, nefa tsy nety nanao izay hahafahany mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;
malagasy
Ny vehivavy nandray ny azy efa maty, fa natsangana ho velona indray; ary ny sasany nampijalijalina ho faty, nefa tsy mety nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra;