Hebrews 11:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; koa dia tsy hita izy satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny finoana no namindrana an’i Enôka tsy hiharan’ny fahafatesana, ka tsy hita intsony izy fa nafindran’Andriamanitra, ary talohan’ny namindrana azy dia voalaza fa nankasitrahin’Andriamanitra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Finoana no nahatafafindra an’i Henôka ho eo akaikin’Andriamanitra, ka tsy mba niharan’ny fahafatesana izy; ary tsy nisy olona nahita an’i Henôka intsony, noho izy nafindran’Andriamanitra ho eo akaikiny. Ny Soratra Masina no mijoro ho vavolombelona fa efa sitrak’Andriamanitra i Henôka talohan’ny namindrany azy.
Malagasy Bible 1865
Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; koa dia tsy hita izy satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy.
malagasy
Finoana no namindrana an'i Enoka tsy hiharan'ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran'Andriamanitra; fa talohan'ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan'Andriamanitra izy.