Hebrews 11:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Finoana no nanamboaran’i Noa sambofiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hita; koa izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.
Malagasy Bible 1865
Finoana no nanamboaran'i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra ny amin'ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Finoana no nanamboaran’i Noa sambofiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra mbola tsy hita; koa izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.
malagasy