Hebrews 12:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny fanitsiana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly amin’ny andro anaovana fa mampahory; nefa rehefa afaka izany, dia izay vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana sy ny fiadanana ho an’izay nanaovana azy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Marina fa mampahory amin’ny andro anaovana azy ny famaizana rehetra, fa tsy mba mahafaly; nefa any aoriana kosa, dia hahavokatra fahamarinana amam-piadanana ho an’izay nandray azy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa faizina isika, dia heverintsika ho zavatra mampahory fa tsy mahafaly izany eo no ho eo; fa atỳ aoriana, ny olona tinaiza tamin’izany famaizana izany vao mahita ny voka-tsoany: dia fiadanana vokatry ny fitondrantena mahitsy.
Malagasy Bible 1865
Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.