Hebrews 12:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa fantatrareo ny nanariana azy tatỳ aoriana, nony naniry hahazo ny tso-drano izy; fa tsy azony nahodina intsony izay natao, na dia nangataka tamin-dranomaso aza izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatrareo fa te hahazo ny tsodranon-drainy izy tatỳ aoriana, kanefa dia nolavina; satria tsy afaka hanova ny efa nataony izy, na dia nitady fatratra tamin-dranomaso aza.
Malagasy Bible 1865
Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy na dia nitady izany fatratra tamin-dranomaso aza.
malagasy
Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin'ny ranomaso aza.