Hebrews 12:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo tsy mba nanatona zavatra azo tsapaina sy mirehitra afo, sy izay rahona sy haizim-be sy kotro-baratra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mba tendrombohitra azo tsapain-tanana toy ny an’ny vahoaka Israely tsy akory no efa nohatoninareo, dia ny tendrombohitra Sinay mirehitra afo, rakotra haizina sy rahona mainty, ombàn’orambaratra
Malagasy Bible 1865
Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy zavatra azo tsapain-tanana no nohatoninareo, na afo mirehitra, na haizim-pito, na tafio-drivotra,
malagasy
[Ny halehiben'ny fahasoavana azo amin'ny fanekena vaovao, sy ny halehiben'ny helok'izay mandà izany] Fa ianareo tsy mby eo amin'izay tendrombohitra azo tsapaina sady mirehitra afo, dia eo amin'ny fahamaintisana sy ny aizina na sy ny tafio-drivotra