Hebrews 12:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin’ny feony; fa ankehitriny dia efa nanao teny fikasana Izy hoe: «Indray maka indray dia tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa» (Hag 2.6).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia Ilay nanozongozona ny tany fahizàny tamin’ny feony, sy manome teny indray ankehitriny manao hoe: « Indro hozongozoniko indray maka koa, tsy ny tany ihany, fa ny lanitra koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny feony dia nanozongozona ny tany fahizay; ankehitriny kosa dia mbola mampanantena antsika Izy manao he: «Hohozongozoniko indray mandeha koa, tsy ny tany ihany, fa ny habakabaka koa.»
Malagasy Bible 1865
Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin’ny feony; fa ankehitriny dia efa nanao teny fikasana Izy hoe: «Indray maka indray dia tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa» (Hag 2.6).
malagasy
Izay nampihorohoro ny tany fahiny tamin'ny feony; fa ankehitriny Izy efa nanao teny fikasana hoe: "Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko, fa ny lanitra koa" (Hag. 2.6).