Hebrews 13:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Maneke ny mpitondra anareo ka manajà azy; fa miambina ny fanahinareo izy, araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maneke ny lehibenareo, ary ankatoavy ny teniny, fa miambina ny fanahinareo toy ny olona mbola hampamoahina izy ireo. - mba ho an-kafaliana no hanaovany an’izany, fa tsy ho amin’alahelo, fa tsy mahasoa anareo izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manoava an’ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, ka maneke azy. Fa ireo no miambina hatrany ny fanahinareo, toy ny olona mbola hampamoahin’Andriamanitra ny amin’izany. Raha manoa ianareo, dia amin’ny hafaliana no hanaovan’ireo ny raharahany; fa raha tsy manoa ianareo, dia amin’ny fisentoana no hanaovany azy ka tsy hahasoa anareo izany.
Malagasy Bible 1865
Manekè ny mpitondra anareo, ka manoava azy; fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, ta tsy amin'ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Maneke ny mpitondra anareo ka manajà azy; fa miambina ny fanahinareo izy, araka izay tokony hataon’ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fisentoana; fa tsy hahasoa anareo izany.
malagasy