Hebrews 13:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
no hanomana anareo amin’ny asa soa rehetra, mba hanatanterahanareo ny sitrapony, amin’ny fanaovanareo ao anatinareo izay tsara eo imasony, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy: ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amen.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andriamanitra loharanon’ny fiadanana anie hahatonga anareo ho vonon-kanao ny asa soa rehetra mba hanatanterahanareo ny sitrapony; ka hataony ao anatintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy anie izay sitrany. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.
Malagasy Bible 1865
Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy anie hahatanteraka anareo amin’ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ny alalan’i Jesosy Kristy*; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
malagasy
Izy anie hahatanteraka anareo amin'ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Na: asa tsara] [Na: (anatintsika)]