Hebrews 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Andriamanitra no anton’ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra. Rehefa mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra Izy dia tandrify Azy ny hitondra ny Tompon’ny famonjena azy ireo ho amin’ny fahatanterahana amin’ny alalan’ny fahoriana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, Andriamanitra, Izay nahary ny zavatra rehetra sady anton’ny nahariana ny zavatra rehetra, dia te hitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra; ka rariny raha nataon’Andriamanitra ho tanteraka tamin’ny alalan’ny fijaliana tokoa i Jesoa, ilay mpitari-dalana azy ireo ho amin’ny famonjena.
Malagasy Bible 1865
Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Andriamanitra no anton’ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra. Rehefa mitondra zanaka maro ho any amin’ny voninahitra Izy dia tandrify Azy ny hitondra ny Tompon’ny famonjena azy ireo ho amin’ny fahatanterahana amin’ny alalan’ny fahoriana.
malagasy