Hebrews 2:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa amin’izany dia mendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa amin’ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa amin’izany dia mendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ny fanompoana an’Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
malagasy
Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [ Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]