Hebrews 2:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika, dia ny famonjena izay nampilazaina ny Tompo tamin’ny voalohany, ary izay nandre dia nanamafy izany tamintsika kosa,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hataontsika ahoana no fandositra raha tsy asiantsika raharaha ny famonjena lehibe toy izany, izay nambaran’ny Tenan’ny Tompo aloha, ka izay nandre taminy no nanorina azy mafy tamintsika,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy raharahaintsika ny famonjen-dehibe toy izany? Ny Tompo mihitsy no efa nitory voalohany izany famonjena izany, ary nohamafisin’ireo izay nandre mba ho fanasoavana antsika.
Malagasy Bible 1865
hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa,