Hebrews 2:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny zavatra rehetra dia efa nampanekenao ho eo ambanin’ny tongony» (Sal 8.4-6). Fa tamin’ny nampanekeny Azy ny zavatra rehetra dia tsy nisy izay tsy nampanekeny Azy. Nefa ankehitriny dia mbola tsy hitantsika fa efa ampanekena Azy ny zavatra rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra. Raha nametraka ny zavatra rehetra teo ambaniny Izy, dia tsy nisy zavatra navelany tsy eo ambaniny mihitsy. Fa izao anefa tsy mbola hitantsika natao ambaniny avokoa ny zavatra rehetra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary ny zavatra rehetra napetrakao eo ambany fahefàny sady nataonao eo ambany tongony.» Raha voalaza fa «ny zavatra rehetra dia napetrak’Andriamanitra eo ambany fahefàn’ny olombelona», dia tsy nisy zavatra tsy napetrany eo ambany fahefàny. Kanefa ankehitriny dia mbola tsy hitantsika hoe napetraka eo ambany fahefàn’ny olombelona ny zavatra rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny zavatra rehetra dia efa nampanekenao ho eo ambanin’ny tongony» (Sal 8.4-6). Fa tamin’ny nampanekeny Azy ny zavatra rehetra dia tsy nisy izay tsy nampanekeny Azy. Nefa ankehitriny dia mbola tsy hitantsika fa efa ampanekena Azy ny zavatra rehetra.
malagasy