Hebrews 2:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy mba hanandrana ny fahafatesana hoenti-mamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa, no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no hitantsika: natao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy i Jesoa, mba ho faty ho an’ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra; ary satria niaritra ny fahafatesana Izy, dia nosatrohan’Andriamanitra voninahitra sy haja.
Malagasy Bible 1865
Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy mba hanandrana ny fahafatesana hoenti-mamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra.
malagasy
Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra. [Na: vetivety]