Hebrews 4:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria tsy mpisorom-be tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra izy, afa-tsy ny fahotana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mba Mpisorombe tsy afaka miara-mizaka ny fahalementsika no ananantsika, fa Mpisorombe efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika ihany, saingy tsy mba nanota.
Malagasy Bible 1865
Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy manana Mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika isika; fa ny antsika dia izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
malagasy
Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana amin'ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin'izay andro mahory. [ Gr. tandrifin'izany]