Hebrews 4:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa isika koa dia nitoriana Filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy satria tsy nitondra finoana tao amin’izay nandre azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa isika koa dia nitoriana filazana mahafaly toa an’ireny, saingy tsy nombany finoana ny teny ren’izy ireny, ka tsy nahasoa azy akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa nitoriana ny Vaovao Mahafaly isika, tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny. Ren’ireo ny hafatra, nefa tsy nahasoa azy, satria tsy mba anisan’izay nihaino izany tamim-pinoana ireo.
Malagasy Bible 1865
Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa isika koa dia nitoriana Filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy satria tsy nitondra finoana tao amin’izay nandre azy.
malagasy
Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre. [ Na: satria tsy nampiraisin'ny finoana tamin'izay nandre izy]