Hebrews 4:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa isika izay nino no miditra amin’izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: «Toy ny nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.11), na dia vita hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa isika izay mino kosa dia hiditra amin’ny fialan-tsasatra, araka ny voalazany hoe: Nianiana noho ny hatezerako Aho fa tsy hiditra amin’ny fialan-tsasatro izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa isika mpino kosa dia hiditra any amin’izany toeram-pitsaharana izany, araka ny voalazan’Andriamanitra hoe: «Tezitra aho, ka nianiana hoe: Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.» Izany no teny nataon’Andriamanitra na dia efa vitany tamin’ny nahariany an’ izao tontolo izao aza ny asany.
Malagasy Bible 1865
Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianiako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95.11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa isika izay nino no miditra amin’izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: «Toy ny nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy» (Sal 95.11), na dia vita hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
malagasy