Hebrews 5:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fotoana efa ela dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary ianareo dia mbola toy izay tokony homen-dronono fa tsy ventin-kanina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria, na dia efa tokony ho mpampianatra hatramin’ny ela aza ianareo, dia mbola mila ny hampianarina ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra ihany, ka ronono no mbola ilainareo noho ny ventin-kanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha izay ela izay, dia tokony ho efa mpampianatra ianareo, kanefa dia mbola mila hampianarina indray ny abidim-pahalalana momba ireo tenin’Andriamanitra. Ronono no mbola ilainareo, fa tsy ventin-kanina.
Malagasy Bible 1865
Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fahelan'ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran'ny tenin'Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono ianareo, fa tsy ventin-kanina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza ianareo noho ny fotoana efa ela dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary ianareo dia mbola toy izay tokony homen-dronono fa tsy ventin-kanina.
malagasy