Hebrews 6:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary amin’izany, mainka fa raha Andriamanitra ta haneho ny tsy fiovan’ny sitrapony amin’ny mpandova araka ny teny fikasana, dia nataony mafy orina tamin’ny fianianana izany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa mba hanehoan’Andriamanitra mazavazava kokoa ny tsy fiovan’ny fikasany amin’ny mpandova ny fampanantenana, dia nohamafisiny tamin’ny fianianana izany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sitrak’Andriamanitra hiharihary tsara kokoa tamin’ireto natao handova ny soa nampanantenainy, fa tsy miova ny fikasany; ka dia notovonany fianianana ny fampanantenana nataony:
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary amin’izany, mainka fa raha Andriamanitra ta haneho ny tsy fiovan’ny sitrapony amin’ny mpandova araka ny teny fikasana, dia nataony mafy orina tamin’ny fianianana izany,
malagasy
Ary amin'izany, raha Andriamanitra ta-haneho kokoa amin'ny mpandova araka ny teny fikasana ny tsi-fiovan'ny sitrapony, dia nataony mafy tamin'ny fianianana izany,