Hebrews 7:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ny fisoronan’i Levy, fa tamin’izany no nahazoan’ny olona ny lalàna, ahoana no mbola ilàna mpisorona hafa hiseho araka ny fomban’i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina araka ny fomban’i Arona?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa raha tahiny nahalavorary zavatra ny fisoronan’i Levi, fa tamin’izany no nandraisan’ny olona ny Lalàna, ahoana indray àry no ilàna Mpisorona hafa araka ny fomban’i Melkisedeka, fa tsy araka ny fomban’i Aarôna?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Foto-javatra tamin’ny lalàna nomena ny vahoaka Israely ny fisoronan’i Levỳ. Koa raha nahatratra ny fanaperana tokoa ny fisoronan’i Levỳ, dia ho tsy nilaina intsony ny hisehoana Mpisorona anankiray hafa indray, dia Mpisorona araka ny fomban’i Melkitsedeka fa tsy tendrena araka ny fomban’i Aharôna;
Malagasy Bible 1865
Koa raha nisy fanatanterahana tamin'ny fisoronan'i Levy (fa tamin'izany no nahazoan'ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon'i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon'i Arona?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ny fisoronan’i Levy, fa tamin’izany no nahazoan’ny olona ny lalàna, ahoana no mbola ilàna mpisorona hafa hiseho araka ny fomban’i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina araka ny fomban’i Arona?
malagasy