Hebrews 7:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy dia tsy mila hanolotra fanatitra isanandro tahaka ny ataon’ireny Mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ny tenany, vao noho ny an’ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany raha nanolotra ny tenany Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary tsy mila hanolotra sorona isan’andro toy ny mpisorona hafa ho an’ny fahotan’ny tenany aloha, dia ho an’ny vahoaka koa, fa indray mandeha monja Izy no nanao izany tamin’ny nanolorany ny Tenany, dia ampy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy mba tahaka ireo mpisorombe hafa Izy, ka tsy mila hanolotra sorona isan’andro ho fanalana ny fahotan’ny tenany aloha, vao ny an’ny vahoaka. Indray mandeha monja no nanoloran’i Jesoa sorona, dia tamin’ny nanolorany ny tenany.
Malagasy Bible 1865
Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy dia tsy mila hanolotra fanatitra isanandro tahaka ny ataon’ireny Mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ny tenany, vao noho ny an’ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany raha nanolotra ny tenany Izy.
malagasy
Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan'andro tahaka ny ataon'ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan'ny tenany, dia vao noho ny an'ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.