Hebrews 7:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho Mpisoronabe; fa ny tenin’ny fianianana kosa, izay tato aorianan’ny lalàna, dia manendry ny Zanaka izay tonga amin’ny fahatanterahana mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria olona zoim-pahalemena no atsangan’ny Lalàna ho mpisorom-be: fa ny tenin’ny fianianana taorian’ny Lalàna kosa dia manendry ny Zanaka, izay tonga amin’ny fara fanaperana mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Olona zoim-pahalemena no voatendrin’ny lalànan’i Mosesy ho mpisorombe; fa ny teny ombàm-pianianana, izay notononin’Andriamanitra tatỳ aorian’ny lalàna, no nanendry ny Zanany ho Mpisorombe, dia ilay Zanany efa tonga amin’ny fanaperana mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin'ny fianianana kosa, izay tato aorian'ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay.