Hebrews 7:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy dia tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana andro niandohana na fiafaran’ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’Andriamanitra ary mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tsy ray tsy reny azy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana - ka nampitovina tamin’ny Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy misy izay ahafantarana ny rain’i Melkitsedeka, na ny reniny, na izay tantaran-drazany ary tsy voalaza ny andro niandohany na ny fiafaran’ny fiainany; fa dia mitovy amin’ilay Zanak’Andriamanitra izy, ka mitoetra ho mpisorona mandrakizay.
Malagasy Bible 1865
tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan'andro na faran'ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak'Andriamanitra),- izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.