Hebrews 8:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia ilay mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no tampon’ny zavatra lazaina amin’izao, dia ny ananantsika mpisorom-be toy izany, izay mipetraka eo ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no vontoatin’ny zavatra lazainay: Mpisorombe toy izany no ananantsika, ary Mpisorombe efa mipetraka any an-danitra eo ankavanan’ny sezafiandrianan’ilay Andriamanitra lehibe.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia ilay mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’ny Avo indrindra any an-danitra
malagasy
[Fampitahana ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny tabernakely araka ny lalàn'i Mosesy sy ny any an-danitra] Ary amin'izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin'ny ankavanan'ny seza fiandrianan'ny Avo Indrindra any an-danitra,