Hebrews 8:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely izay naorin’ny Tompo fa tsy nataon’olombelona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mpandraharaha ao amin’ilay tena fitoerana masina sy tena tranolay tsy naorin’olona, fa naorin’ny Tompo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina Izy, dia ao amin’ny tena tranolay izay naorin’ny Tompo fa tsy naorin’olombelona.
Malagasy Bible 1865
Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely* izay naorin’ny Tompo fa tsy nataon’olombelona.
malagasy
Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny tena tabernakely, izay naorin'ny Tompo, fa tsy olona.