Hebrews 8:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy sy nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa tsy nitoetra tamin’ny fanekeko izy ireny, ary Izaho koa dia tsy nitandrina azy, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
tsy mba fanekena tahaka ny nataoko tamin’ny razan’izy ireo, tamin’ny andro nitantanako sy nitondrako azy nivoaka avy tany Ejipta, izay fanekena tsy naharetany ka nandaozako azy, hoy ny Tompo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa tsy mba Fanekempihavanana mitovy amin’izay nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy hivoaka ny tany Ejipta; tsy nahatritra tamin’izany Fanekempihavanana nataoko izany ireo, koa dia tsy niraharaha azy Aho, hoy ny Tompo.
Malagasy Bible 1865
Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny tsy nitoetra tamin'ny fanekeko, Ary Izaho kosa dia tsy nitandrina azy, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin’ny razany tamin’ny andro nitantanako azy sy nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta; fa tsy nitoetra tamin’ny fanekeko izy ireny, ary Izaho koa dia tsy nitandrina azy, hoy NY TOMPO.
malagasy