Hebrews 9:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa momba ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina ary ny fisasana samihafa, dia fitsipika araka ny nofo, voatendry hatao mandra-piavin’ny fotoana fanavaozana izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa naman’ny hanina, sy fisotro ary fidiovana samihafa fotsiny, dia fitsipika momba ny nofo ihany, ary voadidy ambara-piavin’ny andro fanoloana azy ihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Zavatra momba ny hanina sy ny fisotro ary ny fidiovana samihafa ireo, dia fitsipika ivelambelany ihany izay voadidy hatao mandra-piavin’ny fotoanandro hanaovan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.
Malagasy Bible 1865
(fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa momba ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina ary ny fisasana samihafa, dia fitsipika araka ny nofo, voatendry hatao mandra-piavin’ny fotoana fanavaozana izany.
malagasy
(fa naman'ny zavatra hohanina sy ny zavatra hosotroina sy ny fanasana samy hafa), dia fitsipika araka ny nofo, voatendrv hatao mandra-pihavin'ny andro fanovana.