Hebrews 9:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Kristy kosa, tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy. Namakivaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra izay tsy nataon-tanana Izy; izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa i Kristy kosa, nony efa tonga mpisorom-be ny amin’ny soa ho avy, dia namaky tranolay tsara lavitra sy lavorary lavitra, tsy nataon-tanana, izany hoe tsy mba anisan’izao zava-boaary izao;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tonga kosa i Kristy ho Mpisorombe ny amin’ny zava-tsoa efa tanteraka ankehitriny. I Kristy dia namakivaky tranolay lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon’olombelona ka tsy mba isan’izao zavaboaary izao.
Malagasy Bible 1865
Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Kristy* kosa, tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy. Namakivaky teo amin’ny tabernakely* lehibe lavitra sady tsara lavitra izay tsy nataon-tanana Izy; izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao.
malagasy
Fa Kristy kosa, rehefa tonga ho Mpisoronabe ny amin'ny zavatra tsara ho avy, dia namaky teo amin'ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan'izao zavatra ary izao,