Hebrews 9:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary noho izany dia mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany; izany dia mba hahazoan’izay voaantso ny teny fikasana ny amin’ny lova mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, dia Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao Izy, mba hahazoan’izay voaantso ny lova mandrakizay nampanantenaina azy, rehefa nisy fahafatesana hanalana ny fahotana natao tamin’ny fanekena taloha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary noho izany, dia mpanalalana amina Fanekempihavanana Vaovao i Kristy, mba hahazoan’ireo voaantson’Andriamanitra ny lova mandrakizay efa nampanantenainy ho an’ny vahoakany. Tanteraka izany rehefa niharan’ny fahafatesana i Kristy mba hanavotra ny olona amin’ny fahotana vitany tamin’ny andron’ilay Fanekempihavanana voalohany.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany dia Mpanalalana amin'izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin'ny fahotana natao tamin'ny fanekena voalohany, mba hahazoan'izay voantso ny teny fikasana, dia ny lova mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary noho izany dia mpanalalana amin’izay fanekena vaovao Izy, rehefa niaritra fahafatesana ho fanavotana amin’ny fahotana natao tamin’ny fanekena voalohany; izany dia mba hahazoan’izay voaantso ny teny fikasana ny amin’ny lova mandrakizay.
malagasy