Hebrews 9:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa rehefa voalazan’i Mosesy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna dia nalainy ny ran’ny zanak’omby sy ny ran’osilahy mbamin’ny rano sy ny volon’ondry jaky ary ny hisopa ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa rehefa voavakin’i Môizy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra tao amin’ny Lalàna, dia nalainy ny ran-janak’omby sy ny ran’osilahy, mbamin’ny rano sy ny volon’ondry mena ary ny hisopa, ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nolazain’i Mosesy tamin’ny vahoaka manontolo aloha ny didy rehetra araka ny lalàna; avy eo dia nalainy ny ran-janakomby sy ny ran’osilahy nampiana rano, ka nafafiny tamin’ny bokin’ny lalàna sy tamin’ny vahoaka manontolo; ravina hisôpa sy volonondry mena no namafazany izany.
Malagasy Bible 1865
Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa rehefa voalazan’i Mosesy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna dia nalainy ny ran’ny zanak’omby sy ny ran’osilahy mbamin’ny rano sy ny volon’ondry jaky ary ny hisopa* ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra;
malagasy
Fa rehefa voalazan'i Mosesy tamin'ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak'omby sy ny ran'osilahy mbamin'ny rano sy ny volon'ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin'ny boky sy ny vahoaka rehetra;