Hebrews 9:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nisy tabernakely voavoatra: Ny efitra voalohany dia ilay atao hoe ny fitoerana masina izay nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra ary ny mofo atao fanatitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nisy tranolay natao, ka ny efitra voalohany, izay atao hoe fitoerana masina, dia nisy ny fanaovan-jiro maro rantsana, sy ny latabatra, ary ny mofo alahatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nisy tranolay voavoatra, dia ny tranolay voalohany izay antsoina hoe Toeramasina: tao no nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra fametrahana ny mofo atolotra ho an’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nisy tabernakely* voavoatra: Ny efitra voalohany dia ilay atao hoe ny fitoerana masina izay nisy ny fitoeran-jiro sy ny latabatra ary ny mofo atao fanatitra.
malagasy
Fa nisy tabernakely voavoatra: ny efitra voalohany, ilay atao hoe "ny fitoerana masina", izay nisy ny fanaovan-jiro sy ny latabatra ary ny mofo aseho.