Hebrews 9:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, fa ho famonjena kosa amin’izay miandry Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
no nanoloran’i Kristy ny Tenany indray mandeha koa mba hanala ny fahotan’ny maro, sy mbola hisehoany tsy amin’ota fanindroany mba hamonjy izay miandry Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
toy izany koa i Kristy: voatolotra ho sorona indray mandeha monja Izy, mba hanesorana ny otan’ny besinimaro. Hiseho fanindroany Izy, kanefa tsy hanaisotra ota intsony amin’izay fa hamonjy an’ireo miandry Azy.
Malagasy Bible 1865
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro dia hiseho fanindroany, tsy amin’ota, fa ho famonjena kosa amin’izay miandry Azy.
malagasy
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.