Hebrews 9:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tao no nisy alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny vata misy ny Fanekena izay voapetaka takelaka volamena manontolo; ary tao anatin’io no nisy ny vilany volamena izay nisy ny mana sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka ary ny vato fisaky ny Fanekena;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny ôtely volamena fandoroana emboka manitra, ny fiaran’ny fanekena voasarona volamena avokoa, izay nisy ny siny volamena nitoeran’ny mana, sy ny tehin’i Aarôna izay nitsimoka, ary ny vato fisaka nisy ny fanekena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
tao no nisy ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra ary ny vata mirakitra ny Fanekempihavanana, vata voapetaka takela-bolamena manontolo; ary tanatin’io vata io dia nisy ny siny volamena nitahirizana ny mana, ny tehin’i Aharôna izay nitsiry, ary ny vatofisaka nanoratana ny Fanekempihavanana.
Malagasy Bible 1865
izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tao no nisy alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny vata misy ny Fanekena izay voapetaka takelaka volamena manontolo; ary tao anatin’io no nisy ny vilany volamena izay nisy ny mana sy ny tehin’i Arona izay nitsimoka ary ny vato fisaky ny Fanekena;
malagasy
izay nisy lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra sy ny fiaran'ny fanekena, izay voapetaka takela-bolamena avokoa; ary tao anatin'io nisy ny vilany volamena, izay nitoeran'ny mana, sy ny tehin'i Arona izay nitsimoka, ary ny vato fisaky ny fanekena; [ Na: alitara]