Hebrews 9:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny faharoa kosa no idiran’ny Mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra raha tsy mitondra ra izay atolony noho ny amin’ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ny olona amin’ny tsy fahalalana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa tamin’ilay faharoa kosa, dia ny mpisorom-be irery no niditra tao indray mandeha isan-taona, sady nitondra ra izay natolony noho ny hadisoan’ny tenany sy ny an’ny vahoaka koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa ao amin’ny tranolay faharoa kosa dia ny mpisorombe irery ihany no miditra ao indray mandeha isan-taona, sady mitondra ram-biby hatolony an’Andriamanitra ho fanalana ny hadisoana tsy nahy vitan’ny tenany sy vitan’ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Fa ny faharoa kosa no idiran'ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin'ny tenany sy ny fahadisoana nataon'ny olona amin'ny tsi-fahalalana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny faharoa kosa no idiran’ny Mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra raha tsy mitondra ra izay atolony noho ny amin’ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ny olona amin’ny tsy fahalalana;
malagasy