Hosea 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Voaloboka nisandrahaka Israely, namoa ho azy izy; arakaraka ny habetsahan’ny voany no nanaovany alitara betsaka; arakaraka ny hatsaran’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Voaloboka mirobona erỳ i Israely, efa mavesatry ny voany. Araka ny habetsahan’ny voany no ampitomboany ny ôteliny; araka ny hatsaran’ny taniny, no hatsaran’ny tsangam-bato nataony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.
Malagasy Bible 1865
Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Voaloboka nisandrahaka Israely, namoa ho azy izy; arakaraka ny habetsahan’ny voany no nanaovany alitara betsaka; arakaraka ny hatsaran’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy.
malagasy
Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.