Hosea 10:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka i Efraima ka faly manosihosy vary; hasiako zioga ny vozony tsara tarehy. Horoahiko i Efraima, hiasa tany i Joda ary handravona azy i Jakoba.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Efraima dia ombivavy kely tsara folaka, finaritra ny hively vary. Izaho kosa hanisy jioga ny vozony tsara tarehy; i Efraima hampitarihiko kodiarana i Jodà hiasa; i Jakôba hitarika fihogo famakiam-bainga.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Efraîma dia ombivavy kely efa voafolaka tsara ary tia mively vary. Raha nahita ny vozony tsara tarehy aho, dia nanisy zioga azy: ka i Joda hiasa tany ary i Israely handravona.
Malagasy Bible 1865
Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka i Efraima ka faly manosihosy vary; hasiako zioga ny vozony tsara tarehy. Horoahiko i Efraima, hiasa tany i Joda ary handravona azy i Jakoba.
malagasy
Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.[Heb. hihoarako]