Hosea 10:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, miasà tany vaovao ho anareo. Fa izao no andro hitadiavana NY TOMPO ambara-piaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo; ataovy araka ny famindram-po ny fijinjànareo; miasà tany vao ho anareo; fa efa fotoana hitadiavana an’i Iaveh izao, mandra-piaviny handatsaka ny fahamarinana ao aminareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mamafaza fahamarinana, dia hijinja fitiavana ianareo. Miasà tany vaovao fa izao no fotoana hitadiavana ny TOMPO, mandra-piaviny handatsaka aminareo ny famonjena.
Malagasy Bible 1865
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, miasà tany vaovao ho anareo. Fa izao no andro hitadiavana NY TOMPO ambara-piaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
malagasy
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.[Na: Miasà tany vaovao ho anareo][Na: hampianarany anareo ny fahamarinana]