Hosea 10:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Asa ratsy no nataonareo ka tsy fahamarinana no nojinjainareo; nihinana ny vokatry ny lainga ianareo. Koa satria nitoky tamin’ny lalanao sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinao ianao
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo niasa ny faharatsiana, nijinja ny faharatsiana, nihinana ny vokatry ny lainga. Nitoky tamin’ny lalanao ianao, sy tamin’ny hamaroan’ny lehilahy maherinao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faharatsiana kosa no nambolenareo ka nijinja heloka ianareo ary nihinana ny vokatry ny lainga. «Ry Israely ô, ny herinao no nitokianao ary koa ny habetsahan’ny miaramilanao.
Malagasy Bible 1865
Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Asa ratsy no nataonareo ka tsy fahamarinana no nojinjainareo; nihinana ny vokatry ny lainga ianareo. Koa satria nitoky tamin’ny lalanao sy ny habetsahan’ny lehilahy maherinao ianao
malagasy
Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo ianareo.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]