Hosea 10:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hisy tabataba hamelezana ny olonao ka horavana ny tanànanao mimanda rehetra, toy ny nandravan’i Salamana an’i Bety-Arbela tamin’ny andro niadiana ka niara-torotoro ny reniny sy ny zanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro velona ny tabataba ao amin’ny vahoakanao, ary horavana avokoa ny tanàna mimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmanà an’i Beta-Arbela, tamin’ny andron’ny ady izay nahatorotoro ny reniny teo ambonin’ny zanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmàna an’i Bety-Arbèla tamin’ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin’ireo zanany.
Malagasy Bible 1865
Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hisy tabataba hamelezana ny olonao ka horavana ny tanànanao mimanda rehetra, toy ny nandravan’i Salamana an’i Bety-Arbela tamin’ny andro niadiana ka niara-torotoro ny reniny sy ny zanany.
malagasy
Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]Toy izany no hataon'i Betela aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]